BLACK NADIA 1

BLACK NADIA: Hatrany amin’ny faritra SAVA, mankafy ny hirany.

158

Fahombiazana ho an’ny tarika  Black Nadia  ny fitetezam-paritra natao tany  SAVA. Hiboka  hatrany ireo toerana nanaovany fampisehoana na ny “spectale” tamin’ny antoandro izany na ny  “bal” tamin’ny alina izay tsy nifarana raha tsy tamin’ny dimy ora maraina.  “Nanampy tapakila mihitsy izahay toy ny tao amin’ny PK 10 Sambava sy Ambohimanarina  mba ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpankafy amin’ny  faritra Avaratry ny Nosy.

Feno dia feno ny fandaharam-potoana. Saika voatetin’ity mpanakanto ity avokoa ny faritra SAVA. Nirodorodo hianoka mivantana ny hirany ireo mpankafy azy tao amin’ny Belampona, Ambodiangezoka, Vohémar…

Iray volana ny faharetan’ny Tour SAVA 2017. Nanomboka ny 01 jolay ny fitetezam-paritra nataon’i Black Nadia. Hifarana ny 01 Aogositra  2017 ao Ampanefena, ambanivohitr’i Sambava izany.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!