CENAM 1

CENAM: Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny andiany EZAKA.

157

Nitombo indray ireo Malagasy  miasa amin’ny sehatry ny asa tanana. Mpianatra 88 nanao fiofanana tao amin’ny Ivon-toeram-pirenenan’ny asa tanana Malagasy (CENAM) no nozaraina fanamarinam-pahavitam-piofanana. Niofana tamin’ny sehatr’asa isan-kazarany toy ny tenona (tissage),  rary (vannerie), korose (crochet), amboradara (broderie), zaitra (coupe et couture), rafitra vy (ouvrage metallique), tandroka (corne), fanodinana akora natoraly, mekatronika, fanodinana plastika sy akora sarotra levonina ho haingo (recyclage)  ireto andiany EZAKA ireto.

Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny  CENAM, KANTE RENE fa tsy hiroborobo ny asa tanana Malagasy rehefa tsy misy ny mpanjifa izany. Noho izany, tokony ny  Malagasy  no  hanjifa izany voalohany  ho fanomezan-danja  vita gasy. Eo ihany koa ny  hampivoarana hatrany ny asa tanana sy  hanampiana ireo mpiantsehatra.

Nanatrika ny lanonana famoahana ireo andiany voalohany ny Ministry ny Kolotsaina, ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny vakoka,  Andriamatoa Jean Jacques RABENIRINA.  Ny Loholona  sady mpanolontsaina maneran-tany misahana ny asa tanana, tomponandraikitry ny faritra Atsimon’ny Afrika, Alibena RAZAFITOMBO.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!