FARMSHOP 1

ECLOSIA: Misahana sehatra maro hampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana.

273

“Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sehatry fambolena sy ny fiompiana”. Mifanaraka amin’io tanjon’ny  “Foire Internationale de l’Agriculture ”  io ny an’ny vondron’orinasa Eclosia. Anisany mpandray anjara amin’ity hetsika andiany voalohany ity, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato ireo orinasa mpamokatra   akora ilaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana. «Mandritra ny hetsika izay nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 17 septambra 2017,  ampahafantarinay  amin’ny mpitsidika ny vokatra vokarin’ny ny orinasa  LFL, AVITECH, ECM ary ny FARMSHOP  izay ao  anatin’ny vondrona Eclosia », hoy i Mirana  RATOVOARINTSOA, tomponandraikitry ny varotra.

Ankoatra ny famatsiana ireo akora entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana, manampy ny fiarahamonina  hahaleo tena amin’ny fitantanana  ny fiompiany ary hanana fidiram-bolana fanampiny ireo orinasa ireo. Nanomboka tamin’ity taona 2017 ity ny  tetikasa  fanomezana zanak’akoho nataon’ny vondrona Eclosia.

Azo jifaina manerana ny tranom-pivarotana Farmshop miisa 70 ireo vokatra vokarin’ny  LFL toy ny provandy ho an’ny akoho amam-borona, kisoa ; ny zanak’akoho ho an’ny AVITECH.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!