FITIA BOUTIQUE 1

FITIA BOUTIQUE: 150.000 Ariary monja ny « brosses à lisser».

331

Amin’izao fetin’ny reny izao, tolotra miavaka no atolotry ny Fitia Boutique amin’ireo fitaovana fikirakirana ny taovolo hiaka farany. Anisan’izany ny   «brosses à lisser ». Raha 200.000 Ariary ny vidin’ny “ brosses à lisser ”… amin’ny  andavananfadro,  nidina ho 150.000 Ariary izany. Fitaovana vaovao entina hanamorana ny  fanatsorana volo  izy ity.  Hoatra an’ireny fibangoana  volo ireny ihany ny fampiasana azy. Nambaran’ny Tomponandraikitra ao amin’ny Fitia Boutique, Nathalie HANITRINIAINA fa  matihanina avokoa ireo fitaovana varotan’ny tranombarotra.

Mampiavaka io fitaovana io ihany koa akora nanamboarana azy. « Tsy atahorana hanimba volo ny fampiasana ny « brosses  à lisser»  satria « céramique » sy « ionique ». Hatramin’ny asabotsy 27 May 2017,  amidy amin’ny vidiny mirary ireo karazana  « brosses  à lisser».

  Marihina fa ankoatra ny « brosses  à lisser» , ahitana fihenam-bidy ihany koa ireo fitaovana hafa fikirakirana taovolo. Eny amin’ny Fitia Boutique, Box A5 ao amin’ny New Century Soarano  no fotoana ho an’ireo izay liana fa indrindra te hanolotra fanomezana ho an’i Neny.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!