BRADERIE SETP 2017 1

GRANDE BRADERIE: Hita eny avokoa ireo fitaovam-pianarana isan-karazany.

177

Ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra indray izao no hifantohan’ny ray aman-dreny. Mbola manaan fotoana malalaka tsara izy ireo isafidianana ireo kojakoja ilaina  amin’ny taom-pianarana 2017-2018. Hita eny amin’ny Grande Braderie de Madagascar avokoa ireo karazana fitaovam-pianarana, mifanaraka   amin’ny kilasy tandrify ny mpianatra tsirairay. Ho an’ny trano heva  misy ny L’ETUDIANT, ny cahier,  ny kitapo… no varotany.

Tsy ny fitaovam-pianarana ihany no azo jifaina mandritra ny Grande Braderie eny Mahamasina fa afaka mividy entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany ny mpitsidika. Anisan’izany ny akanjo, kiraro, fitaovana fanadiovana ny ao an-tokantrano, sakafo…

Mampiavaka ny Grande Braderie ny fihenam-bidy amin’ireo entana varotan’ny mpandray anjara. Manomboka amin’ny 15% izany.

Ny alahady 03 Septambra 2107 ho avy no hifarana ny Grande Braderie de Madagascar, eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!