HOTEL DIANA

HOTEL RESTAURANT DIANA: Mialoha ny hidirana ny kaominina Ambilobe.

378

Rehefa hivahiny an-tanin’olona, ny toerana hivantanana no tsy maintsy tadiavina voalohany. Ho an’Ambilobe manokana,  betsaka azo isafidianana tsara ireo trano fandraisam-bahiny. Ny Hotel Restaurant Diana no ho resahana androany.

Tanana mialoha ny fidirana ny kaominina ambonivohitr’Ambilobe no misy azy. Mora hita tokoa satria amoron-dalana.  Tsy ho sarotra amin’ireo vahiny intsony ny fipetrahana any an-toerana noho ny fananany trano fisakafoana sy efitrano fandraisam-bahiny.

Raha ny sakafo no asian-teny, miompana amin’ny fahandro eropeanina, sinoa ary Malagasy izany.

Manana efitrano lehibe azo hanaovana fety na fivoriana ihany koa  ny restaurant Diana. “Mahazaka hatrany amin’ny 250 olona eo izany”, hoy i Sebany, tompondraikitry ny restaurant.

Ankoatra ny trano fisakafoana, manana efitrano fatoriana sy “bungalow” ny Hotel Diana. Mora dia mora tokoa raha ny hofany satria manomboka amin’ny 17.000 Ariary izany. Ao no natao  ho an’ olon-tokana na olona maro.

Nanamafy ny tompondraikitra fa na dia misy aza ny fahatapahan-jiro, mandeha foana ny herinaratra na ao amin’ny Hotel na ao amin’ny Restaurant.

Fokontany Laidama no ahitana ny Hotel Restaurant Diana, raha mila fanampim-panazavana, azo antsoina ireto laharana ireto: 032 43 055 33 na 032 66 437 24 na tsidiho ny tranokala www.hotel-diana-mahavavy.net na mandefasa mailaka amin’ny diana-hotel@yahoo.fr

 Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!