manda-1

MANDA SA: Foaran’ny sakafo roa sosona no andraisany anjara.

243

Mbola vitsy ny trano fisakafoana mikirakira fotsiny ny hazandranomasina eto Madagasikara. Mahaliana kokoa  ireo tia sakafo na te hanandran-tsiro  ity sehatra  iray ity. Hany ka isaky ny mandray anjara amin’ny foara ekonomika na hetsika ara-tsakafo ny restaurant Manda Sea Food, tsy adino mihitsy ny mitsidika ny trano heva misy azy. Ilaharana mihitsy aza izany. Amin’ity indray mitoraka ity, sady mandray anjara amin’ny foara ny sakafo Hay Fy Mampihavana eny Andohalo izy no manana trano heva ao amin’ny Alliance Française Andavamamba.

Toy ny mahazatra dia sakafo miompana amin’ny hazandranomasina eto amintsika no atolony ho an’ny mpanjifa.

Marihina fa samy nanomboka omaly avokoa ireo hetsika ireo ary hifarana rahampitso.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




13 thoughts on “MANDA SA: Foaran’ny sakafo roa sosona no andraisany anjara.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!