OMACI BRITISH 1

OMACI: Hitsangana eto Madagasikara ny tranom-pamokarana sarimihetsika ana vahiny.

473

Ho fanatsarana ny tontolon’ny sarimihetsika eto an-toerana, miara-miasa amin’ny tranom-pamokatra sarimihetsika avy any Hongrie ny Ofisy ny sarimihetsika Malagasy (OMACI). Hanangana tranom-pamokarana eto ny orinasa Sinus media. “Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy ity orinasa manana ivon-toerana any Hongrie ity. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo”, hoy ny Tale Jeneralin’ny OMACI.

Hitondra Ainga vao.

Mifanaraka politikan’ny OMACI  izao fiaraha-miasa amin’ny orinasa vahiny izao. Laharam-pamehana ho an’ny ofisy ny fampiroboroboana ny sehatry ny sarimihetsika Malagasy. Nambaran’ny tomponandraikitra voalohany ny Sinus Media   fa ankoatra ny  fitadiavam-bola, anisany hampivoitra ny kolontsaina Malagasy amin’ny alalan’ny sarimihetsika vokarin’izy ireo ny orinasa.

Notontosaina ny zoma 29 septambra 2017 teo ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny OMACI sy ny Sinus media.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!