Nosy Be (4) 1

ORANGE: Hanatsara sehatry fifandraisana ny Smart Nosy Be sy ny « réseau 4G ».

112

Voasokajy ho Nosy Afrikana  fahatelo tsara indrindra i Nosy Be. Miroborobo fatratra ny sehatry ny  fizahan-tany amin’io toerana io satria  mpizahan-tany 75.000  isan-taona no tonga mitsidika ny tora-pasika, ny vala-java-boahary sy foto-drafitra asa mampiavaka azy. Ho fanatsarana  hatrany ny  sehatry ny fizahan-tany sy ny asa fiveloman’ny mponina, teraka ny fiarahamiasa eo Ministeran’ny Paositra  sy ny fifandraisan-davitra, ny  Ofisim-paritry ny fizahan-tany  Nosy Be sy ny orinasa Orange. Hiparitaka manerana an’ity Nosy ity ny « réseau 4G ».

 Nambaran’ny Michel Degland, manatsara ny fomba fiasa na eo amin’ny asa fivelomana na asam-panjakana ny kalitaon’ny nomerika ampiasaina. Vao maika mampisokatra ny orinasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny fampiasana « réseau » matanjaka. Nanamafy izany ihany koa ny Ministra André Neypatraiky Rakotomamonjy fa andry lehibe ho an’ny fampiroboroboana ny fifandraisana ny fisian’ny 4G.

Ankoatra izany, nitondra ny anjara birikiny, Smart Nosy Be,   ho fanamorana ny fampiasana ny teknolojia sy  ahafahan’ny daholobe sy ny tomponandraikim-panjakana  misitraka ny  vaovao  ihany koa ny Orange. Tamin’ny alalan’ny fanomezana tolotra « internet ». Tanjona amin’izany ny fanavaozana ny raharaham-panjakana,  ny fahafahan’ny rehetra amin’ny resaka nomerika…

Ny 7 sy ny 8 Jolay 2017 teo no notanterahina tany Nosy Be ny fifanaovan-tsonia manamarika ny fiarahamiasan’ny Orange sy ny Ministera ary ny ofisim-paritra.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2017/07/Nosy-Be-4-1.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2017/07/Nosy-Be-4-1.jpg »] ORANGE [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2017/07/Nosy-Be-5-1.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2017/07/Nosy-Be-5-1.jpg »] ORANGE [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2017/07/Nosy-Be-7-1.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2017/07/Nosy-Be-7-1.jpg »] ORANGE [/image_slider]
[/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!