GEM 1

SENDIKA INDOSTRIA: Mibaby fatiantoka noho fitokonan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana.

55

Mizaka ny tsy eran’ny ainy  ny orinasa mpikambana ao amin’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM).  Noho ny fitokonan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana, mikatso ny fandefasana entana mankany ivelany. Tsy tonga araka ny daty takian’ny mpanafatra ny entana tokony alefa. Sahirana ihany koa ireo orinasa manafatra  akora  fototra. Vokany, fatiantoka ho an’ny orinasa eto Madagasikara ny fikatsoan’ny sampandraharaha misahana ny fadin-tseranana.

Manoloana izany, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara mba hamaha haingana dia haingana ny olan’ny mpiasan’ny fadin-tserana.  “Raha mitohy izao dia ho betsaka ireo orinasa hikatona satria hiala an-daharana ireo mpanjifan’izy ireo any ivelany.

Araka ny fanazavana hatrany, manodidina 20 tapitrisa dolara isan’andro eo ny fatiantoka ho an’ny orinasa iray, mpikambana ao amin’ny SIM, noho ny fitsaharan’ny asa ao amin’ny fadin-tseranana.

 Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!