UCTU-TAXI 1

UCTU-FTAR: Mitaky ny hanafoanana ny fanomezana ny OMAVET ny fanaovana “contre-visite”.

179

 Tsy mankasitraka ny fanomezana  ny fanaovana ny “contre-visite ”  ho an’ny orinasa tsy miankina OMAVET ny fikambanan’ny fitateram-bahoaka an-drenivohitra (UCTU)  sy ny fikambanan’ny Taxi Antananarivo Renivohitra (FTAR). Nambaran’ny Filohan’ny FTAR, Clémence RAHARINIRINA fa tsy nisy akory ny fangatahana ny hevitry ny fikambanana tamin’ny fandraisana izao fanapaha-kevitra izao. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny UCTU, Bernadin fa miteraka fatiantoka ho an’ny mpitatitra ny fandraisana io fanapaha-kevitra nataon’ny mpanolontsainan’ny tanana tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana io.

Noho izany, mitsipaka ny fanaovana ny fitsirihana ny fiara ao anatin’ny ora iray, ny fanarahana ny teboka 104, ny fandoavana ny saram-piantohana efa-bolana…  ny fikambananan’ny fitateram-bahoaka sy ny taxi an-drenivohitra.

Manome fe-potoana roa herinandro  an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA) ny roa tonta hanafoana io fanapaha-kevitra io. “Mety hiafara amin’ny fitokonana izany rehefa tsy tanteraka”.

Nomarihin’ireto fikambanana ireto fa ny 90% ny vola miditra dia ny ho an’ny orinasa OMAVET. Ny 10% kosa ho an’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA).

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!