CAIL 2

YOUNG PROGRESS ASSOCIATION: Matsiro noho ny akoho ny papelika.

479

Ny hotely lehibe na rehefa fety no tena mahandro ny papelika na kibobo (caille). “Hena tsy dia fihinana andavanandro izy ity kanefa azo atao tsara ny mihinay na izany na tsy fety aza”, hoy RANDRIAMAMPIANINA avy amin’ny fikambanana Young Progress Association. Anisany mivarotra izany ny fikambanana ary manodidina ny 5000 Ariary eo izany eny amin’ny “foire Internationale  de l’agriculture” na FIA. Araka ny fanazavana voaray hatrany, tsara lavitra mihoatra ny akoho ny tsiron’ny kibobo. Azo alaina rony  tsara izy mialoha ny hanendasana azy na hanaovana saosy azy.

Tsy mijanona amin’ny fanaparitahana ny kibobo amin’ny tsena anatiny ny fikambanana fa manampy ihany koa ireo liana amin’ny fiompiana akoho amam-borona fa indrindra  amin’ity seham-pihariana vaovao amin’ny alalan’ny fiompiana papelika.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!