FITOKONANA

FIAINAM-PIRENENA: Miha-miakatra ny marim-pàna, fitokonana etsy sy eroa.

94

Nanao sesilany tato ho ato ny fitokonana tetsy sy teroa. Tsy tongatonga ho azy ireny rehetra ireny fa ao raha, hoy ny fitenenana. Miakatra manaraka izay ihany koa ny marim-pàna. Nitarika izany ny mpitatitra tamin’ny tsy fahazoan’ny fiarabe 10T mahery miditra ny renivohitra amin’ny andro atoandro. Nanaraka taty aoriana indray ny mpiasan’ny fananan-tany, nitaky ny tokony hampahalalaka ny fanomezana tanim-panjakana sy ny fanatsarana ny fomba fiasany. Tsy nisy nihaino hatramin’izao ary dia mitohy ny fitokonana. Nampiaka-peo ny mpiraki-draharaha teo anivon’ny fitsarana ary tsy misy ny asa mandeha hatramin’izao manerana ny nosy. Nihitatra toy ny sima misioka ny raharaha, tsy hanao ny asany ireo mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny an-jery manontolo. Omaly, nanao fitokonana faobe manerana ny nosy ny mpiasan’ny tahirim-bolam-panjakana ny amin’ny fanesorana ny tale jeneraliny Atoa ROBIMANANA Orlando, izay mety hisy akony amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany araka ny fanambaran’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, François Goldblat. Anio, hanao fitokonana ihany koa ireo mpandraharahan’ny fonja, hanatanteraka ny azy, ihany koa ny  » inspecteur de travail » amin’ ny latsinainy ho avy izao. Fa misy inona? Fanontaniana mipetraka izany amin’izao fitondrana vaovao izao. Ireo karazana fitokonana ireo dia midika ho fahalemen’ny fitondrana, toy ny efa nisy hatramin’izay. Karazana pitik’afo mety hahamay tanàna izao ka hamono afo toy ny mpamonjy voina ny fanjakana! Ny rafitra napetraka ve no tsy marin-toerana sa ny lalàna no tsy misy manaja intsony, fa samy manao izay saim-pantany amin’izao. Ny olana mantsy dia ireo milaza ho manam-pahaizana amin’ny fanaovana lalàna mihitsy no manao hitsin-dalana amin’izany. Rehefa misy tombontsoa ilainy dia azo hovaina na soloina zavatra hafa izany. Misy kosa ireo tsy te-hahalala ny lalàna mihitsy fa manampatra ny fahefana ananany, mampieritreritra! Rahoviana isika vao tena ho afaka amin’izao savorovoro miseho izao? Ny fampiasana hery ve no lalana handaminana ny firenena sa ny fototra no mila havaozina? Isaky ny misy mpitondra dia milaza fa hanaja ny lalàna sy hitondra fiovana, toa kobaka am-bava no betsaka ary tsy araky ny niheverana azy. Handeha ho aiza indray izao lalan-tsika izao fa feno sahotaka sy fisavorovoroana tsy mampilamina ny tany izao tranga misy izao?

Mamitiana RASOLONIRINA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!