UNIVERSITE ACEEM 2

INSTITUT SUPERIEUR DE GESTION ACEEM : Mpianatra 120 nahazo diplaoma momban’ny fitantanana.

135

Niavaka, tsy toy ny mahazatra ny famoahana tamin’ny fomba  ofisialy ireo mpianatra 120 nandranto fianarana tao  amin’ny « Institut Supérieur de Gestion Aceem ».  Taorian’ny fizarana ny diplaoma DTS sy ny Licence,  nilaza ny Filoha Tale Jeneralin’ny orinasa Manda S.A, Bakoly RAZAKANAVALONA izay reny mpiahy an’ity andiany Iavosoa ity fa vonona handray ireo mpianatra sangany  hanao fianarana asa ao amin’ny orinasa  tantanany. Telo mirahavavy  ireo  nisitraka izany fanomezana izany. Tsy vitany hampihatra ny fahaizana norantovina fotsiny izy ireo fa mbola handray karama ihany koa.

Amin’ny maha ivom-pampianarana momban’ny fitantanana ny  « Institut Supérieur de Gestion  Aceem », niompana tamin’ny   « gestion, management d’entreprise, leadership » ny fianarana nataon’ireto andiany ireto.

Fanamby lehibe ho an’ireto teknisiana ireto ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara. « Izany indrindra no antony nisalorana ny anarana “Iavosoa” mba ho anisany teknisiana hampandroso ny toe-karenan’ny firenena amin’ny sehatra rehetra  ity tarika indray nihira ity », hoy  ny Talen’ny ivom-pampianarana, Richard RAMANAMBITANA.

Marihina fa ny zoma 26 May 2017 teo no natao teny Alasora ny lanonam-panjakana namoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany Iavosoa.




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!