SALON DES ETUDE SUP 1

MADA JEUNE: Ny sehatr’asa sy ny lalam-piofanana mifandraika aminy.

197

Hanampy  ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  amin’ny fisafidianana ny  lalam-piofanana ho rantoviny ny hetsika fampahafantarana ireo oniversite tsy miankina  sy ny lalam-piofanana misy ao amin’izy ireo. Hahazo fanazavana bebe kokoa  momba ireo sehatr’asa  mifandraika amin’ny lalam-piofanana tsirairay ireo mpitsidika ny « Salon des Etudes Supérieures », karakarain’ny Mada Jeune. Miisa 65 kosa ireo oniversite mandray an-jara amin’ity hetsika ity ao anatin’ny trano heva 100 mahery.

Ny alakamisy  07 sy 08 septambra 2017 ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina  no hanatanterahana ity andiany faha-14 ity.

Hanome toro-lalana ho an’ireo mpianatra, indrindra fa ireo vao afaka fanadinana bakalorea ireo oniversite tsy miankina  miisa enim-polo, mpandray anjara amin’ny hetsika ireo. « Manana roa andro ireo mpitsidika hitady ny lalam-piofanana tiany hanohizany ny fianarana ambaratonga ambony », hoy ny mpikarakara, Lahatra ANDRIAMAHATSANGY ao amin’ny Mada Jeune.

Ankoatra ny firesahana mivantana amin’ireo tompondraikitry ny oniversite, hisy ny boky “guide Mada jeune”, mirakitra  ny mombamomba   oniversite.  Amidy amin’ny sarany 3000 Ariary izany.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

 

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!