E-MEDIA 1

ONIVERSITE E-media : Mahazo Licence ao anatin’ny 18 volana .

308

« Midadasika ny sehatry ny haino aman-jery eto Madagasikara. Noho izany mora mahita asa ny mpianatra mivoaka ao amin’ny E-media », hoy ny filoha tale jeneraliny Rojo ANDRIANASOLO. Vaovao ho an’ny oniveriste E-media ny fisian’ny diploama Master na Bacc +5 ho an’ny lalam-piofanana « Audiovisuel graphiques, Marketing publicité et Journalisme ary Génie electronique et Informatique ». Ankoatra izay, 2 taona na 18 volana monja, mahazo ny Licence ny mpianatra amin’ny lalam-piofanana « communication audiovisuelle et numerique ( CAN ), Marketing publicité et journalisme ( MPJ ), Informatique et telecommunication ( NTIC ) », hoy hatrany  ity filoha tale jeneralin’ny E-media ity. Amin’ny Oktobra kosa ny fidirana amin’ity taom-pianarana ity.

Nomarihany fa mizara roa ny mianatra ao amin’ny E-media, « formation professionnelle sy formation universitaire ». Tsy mila dipiloma bakalorea ny « formation professionnelle » fa azon’ny rehetra atao manaraka ny fiofanana « Images, son, web ». Ny « formation universitaire » kosa, mila ny dipiloma bakalorea.

Mandray an-jara amin’ny hetsika « Salon des Etudes Supérieures », karakarain’ny Mada Jeune etsy amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina izay hifarana anio 08 Septambra 2017.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!