GSI 1

ONIVERSITE GSI: Manampy ny mpianatra amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana.

191

Efa manaraka ny rafi-pampianarana ny onivesrite GSI. Manan-kery amin’ny  lalam-piofanana azo rantovina ao amin’ny  trano vaovao misy azy eny Analakely izany. Mampahafantatra bebe kokoa ny momba ity tolotra  ity ho an’ny mpianatra manana ny diplaoma bakalorea ny oniveriste mandritra ny “Salon des Études Supérieures”, karakarain’ny  Mada Jeune. Manomboka rahampitso 07 ary hifarana ny 08 Septambra 2017 ny hetsika.

Anisany manampy ny mpianatra  amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana ny oniversite. Lalam-piofanana maro ihany koa no azo hanohizana ny fianarana ambaratonga ambony. “Mampiavaka ny GSI ny  fananana lalam-piofanana ahitana “double formation” izay ahafahana manana  fahalalana samihafa kanefa mifampiankina”, hoy ny Filohan’ny GSI, Geremioh RANDRIANAIVO.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!