PRIMA BABY 2

PRIMA BABY: Mirakitra toro-hevitra ho an’ny ray aman-dreny “guide” andiany faha-08.

88

Efa azo jifaina eny amin’ny tranombarotra fivarotana kojakoja ho an’ny zazakely sy ny ankizy  ary trano fivarotam-boky ny “guide prima baby” andiany fahavalo.   Hanampy betsaka ny ray aman-dreny izy ity satria  ahitana toro-lalana sy toro-hevitra ho azy ireo  momba ny fitaizana ny zanaka manomboka any amin’ny  fahaterahany. Voatanisa ao anatin’ity “guide” ity ihany koa ny maha zava-dehibe ny fidirana any amin’ireny  sekoly ho an’ny ray aman-dreny ireny, ny lakilen’ny fanabeazana  mahomby, ireo tokony ho fantatry ny ray aman-dreny sy ny maro hafa.

Amin’ny maha toro-lalana azy, noraketina ao anatiny ihany koa ireo ivon-toerana mitaiza  zaza sy ankizy manodidina  an’Antananarivo renivohitra.

Ho fanampiana hatrany ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanany manomboka amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahaenin-taonany, hisy ny fandaharana, natokana ho azy ireo, ho alefa amin’ny fahitalavitra  izay mitondra ny lohateny hoe: “tiako ny zanako”.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!