MADA JEUNE 07 SEPT 2017 1

SALON DES ETUDES SUPERIEURES : Manana safidy maro ny mpianatra.

144

Niatomboka omaly alakamisy  07 septambra 2017 ka hifarana anio ny « Salon des Etudes Supérieures », karakarain’ny Mada Jeune etsy amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. « Manana safidy maro ny mpianatra amin’ny lalam-piofanana tiany ho rantovona amin’ity hetsika ity », hoy , Lahatra ANDRIAMAHATSANGY, mpikarakara ao amin’ny Mada Jeune. Natao izao hetsika izao hanampiana ireo mpianatra vao afaka bakalorea sy manana izany dipilaoma izany amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana. Enim-polo mahery ireo oniversite mitondra ireo lalam-piofanana misy ao amin’izy ireo tsirairay avy.

Noho izany , manentana ireo mpianatra ny tomponandraikitry ny hetsika ao amin’ny Mada Jeune ho avy hitsidika sy hitady ny oniversite sahaza ho azy fa anio no hifarana izany.

Nomarihany fa mpitsidika 6.000 no andrasana ho avy amin’ity hetsika ity.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!