SECES 1

SECES ANTANANARIVO: “Hampiharo ny lalana mamaly ny fangatahan’ny sendika”.

137

Mandeha hatrany ny  fifampiresahana eo amin’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mikaroka mpampianatra manoloana ny fitakian’ity farany. Nisy ny fampitam-baovao ho an’ireo mpikambana ao anatin’ny sendika  sampana Antananarivo ny amin’ny  ventin-kevitra nivoitra tamin’ny fifampidinihan’ny  noresahan’ny roa tonta. Hatreto mbola tsy nahazo valin-teny mahafa-po ny SECES. Noho izany, mbola mihatra hatrany ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana.

Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny SECES sampana Antananarivo,   Sammy Georges RAVELONARIVO fa ny fampiharana ny lalana  mandidy ny fanantanterahana ny fitakiana natao ihany no hangatahin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mikaroka mpampianatra.

Ankoatra ny fampitam-baovao, nisy ny fanangonan-kevitra entin’ny SECES sampana Antananarivo hiatrehana ny filan-kevitra nasionaly izay tanterahina rahampitso 01 jona 2017.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

 




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!