DR FIDY 1

EMISSION : DOCTEUR FIDY , Azo tsaboina tsara ny Pesta mitranga eto Madagasikara.

281

Aretina mampidi-doza sy mandripaka olona maro ny valan’aretina Peste. Any amin’ireo firenena mbola andalam-pandrosoana no tena ahitana izany. Isan’izany isika eto Madagasikara izay vao tsy ela akory izay no nisy teto an-drenivohitra. Avy amin’ny bakteria antsoina hoe “yersinia Pestis” no mahatonga azy io, hoy dokotera Fidy. Misy karazany telo ny Pesta, ny peste pulmonaire sy ny peste bubonique ary ny septicemique. Mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny parasy avy amin’ny voalavo ka nanaikitra olona salama ny fifindrany. Ny peste bubonique no tena mateti-pitranga eto amintsika, mivonto ny atodi-tarimo amin’ny fe raha avy any ambany no misy ilay kaikitra, eo ihany koa ny any ambany helika no misy mivonto raha avy any amin’ny faritra ambony ny kaikitra avy amin’ny parasy. Ny peste pulmonaire kosa indray dia ao anaty havokavoka no misy azy, manavy be ilay olona no reraka sady malain-komana, mikohaka be misy rehoka mety hisy rà. Amin’izay no mety hifindra amin’ny manodidina ilay mikrôba, mety hahafaty ao anatin’ny fotoana fohy raha tsy voatsabo haingana. Ny Peste septicemique kosa indray dia tena manavy sy miakatra hafanana ary reraka ny vatana iray manontolo. Ny fisorohana atao dia ny famonoana ny parasy sy ny voalavo ary ny fanadiovana ny manodidina. Azo tsaboina tsara ny peste, hoy izy, ka tsy tokony hatahotra isika manatona toeram-pitsaboana raha misy tranga hafahafa mety hiseho.

INTERVIEW: Docteur Fidy BARINIAINA

Mamitiana RASOLONIRINA

VIDEO :

 

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-51.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-51.jpg »] Dr FIDY [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-4.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-4.jpg »] Dr FIDY [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-3.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-3.jpg »] Dr FIDY [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-5.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/DR-FIDY-5.jpg »] Dr FIDY [/image_slider][/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!