ramampy 3

EMISSION : RAMAMPY Zenaïde Lechat Marie

248

Mandeha mankany amin’ny fampihavanam-pirenena izao fizotry ny raharaham-pirenena izao, hoy Rtoa RAMAMPY Zenaïde Lechat Marie.  Tsy tokony ho ny filoham-pirenena RAJAONARIMAMPIANINA Hery no hitarika izany hoy hatrany izy. Mila mihaona ireo filoha 4 mirahalahy miaraka aminy, ary tanterahina izay nambaran’ny FFKM, ny hoe samy miaiky ny tsy nety nataony tamin’ny fitantanana ny firenena ka nahatonga antsika ho toy izao. Tsy tanteraka ny fampanantenana natao tamin’ireny fampielezan-kevitra ireny ka mahadiso hevitra ny vahoaka. Mila ahitsy ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena mba tsy hiverenan’izany intsony. Ny dingana efa nataon’ny FFKM no tokony ho tohizana hoy izy. Ny FFM na ny filankevitry ny Fampihavanana Malagasy izay napetraky ny tondro zotra tsy nahefa izany. Aorian’ny fampihavanana dia izay hampandroso ny firenena no atao, tsy mety intsony ny hisian’ny tetezamita faharoa. Misy ny fanitsiana atao hampandeha izany. Ny mahakasika kosa indray ny fisian’ny dahalo niova fo an’arivony tany atsimo, nomena famotsoran-keloka ary na dia nahavita asa mamoafady aza, dia nambarany fa midika tany tsy tan-dalàna isika satria tokony ho notsaraina aloha izy vao nandray fepetra ny amin’ny hanaovana azy. Lasa misy tsy maty manota eto raha izany satria lasa ho fianarana ratsy izany. Momba ny tontolon’ny vehivavy kosa indray amin’ny miralenta, dia efa betsaka tamin’izy ireo no nitana anjara toerana teto amin’ny firenena. Mbola miezaka ny mandrisika ireo vehivavy handray andraikitra hatrany ny tenany indrindra fa ho avy ny fifidianana ben’ny tanàna.

Marihana fa izy dia efa filoha lefitry ny antenimierampirenena tamin’ny andron’ny fitondrana RAVALOMANANA Marc, Solombavam-bahoaka voafidy tany Ambalavao Tsieniparihy.

RAMAMPY Zenaïde Lechat Marie

Mamitiana RASOLONIRINA

VIDEO :

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-12.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-12.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-111.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-111.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-10.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-10.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-9.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-9.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-8.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-8.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-7.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-7.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-6.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-6.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-5.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-5.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-4.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-4.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-31.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-31.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-2.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-2.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-11.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2014/11/ramampy-11.jpg »] EMISSION  [/image_slider]
[/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!