CFM 1

CSN/CFM: 02 isaky ny faritra no handrafitra ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy.

170

Hiatrika ny dingana fahatelo ireo kandida 220 voafantina tamin’ny dingana roa teo aloha. Kandida folo isam-paritra no hanaovana “entretien public”. Ka eny  amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely no hanombohana azy  androany, ho an’ny kandida manodidina an’Antananarivo. Nambaran’ny Filohan’ny Komity Mpifantina ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy (CSN/CFM), TEHINDRAZANARIVELO Emmanuel fa roa amin’ireo no ho raisina handrafitra ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy. Ny iray ho mpikambana raikitra ary ny iray kosa ho mpisolo toerana.

Hifanindran-dalana amin’ity dingana ity ihany koa ny “enquête de moralité » sy ny « enquête d’environnement » ho an’ny kandida tsirairay avy.

Sivy mianadahy ny mandrafitra ny CSN/CFM. Ny 20 Aogositra 2017 ho avy izao no ho tapitra ny fe-potoana hiasan’izy ireo.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!