depute NICOLAS 1

DEPIOTE JEAN NICOLAS RANDRIANASOLO: Vao maika nampikoroso fahana ny firenena ny fanoloana ministra.

148

“Rehefa samy hanolo ministra ihany nahoana no tsy novaina 100 % ministra HVM ny governemanta tarihin’ny Praiministra MAHAFALY? “, hoy ny Solombavambahoaka Jean Nicolas RANDRIANASOLO, voafidy tao Betroka. Nambarany fa tsy niteraka famahana olana akory ny fanesorana ireo ministra teo aloha.

Nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny zoma 08 septambra 2017, tsy mankasitraka ny hitazoman’ny Praiministra ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny tenany satria tsy mety ny manenjika bitro roa amin’ny fitantanana raharaham-panjakana.

Nambaran’ity olom-boafidy ity fa betsaka ny olon-tsara afaka  apetraka eo amin’ny toeran’ny Ministra raha hanolo ihany.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!