FORCE DE CHANGEMENT ANOSY 1

FIKASANA FAMORIAM-BAHOAKA: Hiakatra fitsarana ny fandravana didy.

202

Anio 23 Aogositra 2017 amin’ny 09 ora sy sasany  no hiakatra fitsarana ny fitoriana napetraky ny Forces de Changement momba ny fandravana ny didy  (sursis à execution) navoakan’ny Prefektiora an’Antananarivo Renivohitra. Tsy nanaiky ny famoriam-bahoaka izay saika natao tao amin’ny kianja Mitafo Mahamasina ny Prefet. Taorian’ny filazana izany, nametraka fitoriana handravana ny didy izay mifanaraka amin’ny lalana 2001-025, laharana faha-69 ny solon-tenan’ny Forces de Changement niaraka tamin’ny mpitarika azy, Doudou.

Tsy tontosa ny hetsika izay nokasaina natao na dia niziriziry tamin’ny heviny aza ny Forces de Changement fa tsy maintsy tanteraka izany. Miankina  amin’ny didim-pitsarana hivoaka rahampitso ny fitohizan’ny hetsika.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!