FORCE DE CHANGEMENT 1

FORCES DE CHANGEMENT : « Hatsahatra ny fomba fitantanana tsy mahomby ».

67

Hitondra fanovana amin’ny fomba fitantanana ny firenena no antom-pisian’ny « Forces de Changement ». Mba tsy hiveranan’ny fomba fanao ratsy nanimba ny firenena dia ny firosoana amin’ny fiaraha-mitantana aloha  no vahaolana hitan’ity farany. Hiatrika fifidianana Filoham-pirenena indray ny firenena Malagasy amin’ny taona 2018 ka dieny izao dia mila mandrafitra fifanarahana hifehy an’ireo mpanao politika sy izay hitondra ny firenena mba tsy ho  fahantrana foana no holovaina amin’izy ireo.

Fivoriana faharoa izao no efa vitan’ny “Forces de Changement”.  Tao anatin’izany ny namaritana ireo toetra ratsin’ireo mpanao politika sy ireo mpitondra firenena  izay tsy araka ny teny fampanantenana tamin’ny  fampielezan-kevitra akory  fa  vao  nampidi-kizo ny firenena.

Ankoatra izany, ho laharam-pamehana  ho an’ny “Forces de Changement”  ny fandriam-pahalemana sy ny  ady amin’ny kolikoly.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!