FORCE DE CHANGEMENT 1

FORCES DE CHANGEMENT: Manaiky matoa tsy miteny ny prefet.

184

Efa neken’ny Kaominina an’Antananarivo Renivohitra hanao fihetseham-bahoaka eo amin’ny kianjan’i Mahamasina ny Forces de Changement. Tsy mbola namaly ny taratasy napetrakin’ny vovonana  kosa hatramin’izao ora hanoratana izao ny eo anivon’ny prefektiora. Nambaran’ny mpitarika ny vovonana, Maharavo RATOLONJANAHARY (Doudou) fa  matoa tsy mbola mamaly ny Prefet, midika fa afaka manao ny hetsika  ny vovonana rahampitso 22 Aogositra 2017.

Nanamafy ny tenany fa tsy maintsy an-tsoratra no hamalian’ny Prefektiora izany fa tsy am-bava.

Nampitovy ny tadin-dokanga. Nihaona tamin’ny hery velona sy ny mponina tany Fianarantsoa ny delegasionan’ny Forces de Changement eto Antananarivo. Fampitoviana ny tadin-dokanga no natao tamin’izany mba hitakiana ny zo sy ny fahalalahana miteny.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!