force de changement 1

FORCES DE CHANGEMENT: Miantso ny tanora mitaky fiovana.

68

Hanatanteraka fivoriam-be ireo tanora mivondrona ao anatin’ny Forces de Changement rahampitso 23 jona 2017. Nambaran’ny solotenan’izy ireo, Rajoharisoa Nandrianina,  handrafitra rafitra  tokony hitantanana ny firenena izy ireo mba ialana amin’ny zava-misy izay anisany mibaby ny vokatr’izany ny tanora Malagasy. Eo ny olan’ny tsy fananan’asa, ny eo anivon’ny fampianarana sy ny maro hafa. Nanao fanambarana mihitsy izy ireo androany ary naneho ny heviny momban’ny fitantanana ny firenena ankehitriny.

Nitsiry ny hevitra fa hikaon-doha hamolavola rafi-pitantanana mahomby ireo tanora mpikambana ao anatin’ny Forces de Changement.

Miantso ireo tanora Malagasy namana na mivondrona ao anaty fikambanana na antoko politika na ireo mitaky fiovana  ihany koa izy ireo ho avy eny amin’ny Live Hotel Andavamamba, amin’ny 09 ora.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!