FORCE DE CHANGEMENT 1

FORCES DE CHANGEMENT: Mitaky hatrany fialan’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA.

73

Tsy mitsahatra mitaky ny fialan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy ny mpikambana ao amin’ny Forces de Changement. Anisan’izany ireo tanora mpikambana ao. “Tsy mety aminay tanora  intsony ny fitondran’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA”. Notabatabain’izy ireo nandritra ny fivoriana, notanterahina teny Andavamamba fa na dia famoronana asa ho azy ireo aza tsy misy .

Nanamafy ny fitakiana ny fialan’ny Filoham-pirenena sy ireo mpanara-dia azy ihany koa i Maharavo RATOLONJANAHARY. Nilaza kosa anefa izy fa tsy amin’ny alalan’ny ra mandriaka no hanaovana izany.

Betsaka ireo mafana fo ao anatin’ny fikambanana Forces de Changement. Tady hanakorontana ny lamina efa napetraka hanatrarana ny tanjona  anefa izany. Tsy ao anatin’ny paika ady ny fikambanana mihitsy ny fanesorana ny Filoha amin’ny fomba amboletra satria tsy tsara hiverenana ny ra mandriaka fa mahavoasazy sy vao maika  mampitotongana ny firenena.

Manoloana izany, hisy ny fanamafisana ireo fomba entin’ny fikambanana  hanesorana ny Filoham-pirenena.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!