FORCE DE CHANGEMENT 2

FORCES DE CHANGEMENT: « Mitaona ny vahoaka hanohitra ny fitondrana ».

131

Rehefa tsy mety miroso amin’ny fiaraha-mitantana ny fitondrana entin’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA, hijoro ho mpanohitra   ny Forces de Changement. Nambaran’ity farany fa ny firosoana amin’ny fiaraha-mitantana  mialoha ny fifidianana Filoham-pirenena 2018 no vahaolana ialana amin’ny  fikatsahana ny tombontsoa ho  an’olom-bitsy  izay mampikoroso fahana ny firenena Malagasy.

Araka ny fanazavan’i Maharavo RATOLONJANAHARY (Doudou), mpitarika ny Forces de Changement, tsy hanaiky intsony ny fitondrana tarihin’ny Filoha ankehitriny sy ny antoko HVM ny hetsika. Hanohitra azy ireo amin’ ny endrika rehetra ny Forces de Changement. «Mety hiafara amin’ny fidinana an-dalam-be mihitsy izany».

Nilaza i Doudou fa eo am-panomanana  ny fomba rehetra hanatanterahana izany ny hetsika ka miantso ny hery velona rehetra, ny vahoaka hiara-dia amin’izy ireo.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!