FORCE DE CHANGEMENT 1

FORCES DE CHANGEMENT: Tsy mihemotra na tsy manaiky ny hetsika aza ny Prefektiora.

199

Hiroso amin’ny fanatanterahana ny hetsika famoriam-bahoaka iadiana ny zo sy ny fahalalahana miteny ny Forces de Changement na dia tsy mbola namaly ny fangatahana fahazoan-dalana aza ny prefektiora. Rahampitso 22 aogositra 2017 no hanaovana izany eny amin’ny kianja Mitafo Mahamasina.

Hametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ifanaovana amin’ny fanjakana kosa ny vovonana raha mamoaka didy mandrara azy tsy hanao famoriam-bahoaka  ny Prefet. Nambaran’ny mpitarika ny hetsika, Doudou fa araka ny lalana 2001-025, andininy faha-69, miato ny didy iray rehefa  misy mametraka taratasy fangatahana fandravana  eny amin’ny fitsarana misahana izany.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!