FORCE DE CHANGEMENT 1

LES FORCES DE CHANGEMENT : Hanangana sata iraisana hanarenana ny firenena.

63

Afaka roa herinandro,  ho voavolavola ny sata ifampifehezan’ny hetsika « les forces de changement ». Eo ihany koa ny fananganana paika ady entina hanarenana ny firenena  izay hiarahana manatanteraka amin’ny fitondrana ankehitriny.  « Manomana fiaraha-mitantanana ny hetsika « les forces de changement »  fa tsy ekena intsony ny fitantanana ny fiainam-pirenena ankehitriny », hoy i Doudou.

Ny vovonana DFP na Dinika ho Fanavotam-Pirenena no tompon-kevitra amin’ity drafitra ity. Nambaran’ny Filohan’ny DFP hatrany   fa ho fanarenana ny firenena dia mila manangana ny paika ady iraisana.

Tao anatin’ny roa volana ny tompon-kevitra no nifanatona tamin’ireo hery velona rehetra, ireo Filoham-pirenena nitondra teo aloha…ka tao anatin’izany no nahaterahan’ny  hetsika « les forces de changement ».

Androany, nanantanteraka fivoriana ity farany ho fampahafantarana ny fisiany fa indrindra ny fametrahana ny dingana ho atao ahatongavana any amin’ilay tanjona dia ny fiaraha-mitantana.

Hanaiky izany fiaraha-mitantana izany ve ny Filohan’ny Repoblika?

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!