JAMES RATSIMA 3

PR JAMES RATSIMA : Bolokim-bazaha, miala.

344

TSY VOAVIDY VOLA IZY.

Nisy nikasa hanome vola 500.000 Euro izy hanambazana sy hanampenana ny vavany amin’izao tolona ataony ho an’ny taranaka Malagasy izao saingy tsy nekeny izany. “Tsy mila vola maloto aho fa fanavotana ny firenena amin’ny fanandevozan’ireo vazaha no tanjoko sady ampy ahy ny vola fisotron-dronono tamin’ny asako tany Etazonia, Canada ary frantsa ”, hoy izy. Karana malaza eto amin’ny firenena sy mpiasan’ny fadintseranana no nanam-pikasana nanao izany, hoy hatrany izy. “Tsy hivarotra ny tanindrazako amin’izy ireo aho”, hoy ity profesora ity.

MIALA MIARAKA AMIN’NY RAFITRY NY MPANJANATANY NY BOLOKI-BAZAHA…..

Tsy mbola mahaleotena ny Malagasy raha ny nambaran’i profesora James RATSIMBA satria mbola ny rafitry ny mpanjanatany no misy eto Madagasikara hatramin’izao izay miaro ny tombon-tsoany sy ireo olom-bitsy ka noho izany dia ovana izany. Tsy misy dikany anefa ny fanovana ny rafitra raha mbola eo ireo bolokim-bazaha ireo, hoy izy fa esorina teo ihany koa izy ireo izay vao azo lazaina fa mahaleotena ny Malagasy.

NY ORINASAM-BAZAHA TSY MANARA-DALANA TOKONY MIALA ETO…..

Vaovao nampitainy no nahafantarana fa mila vato 200.000.000 T ry zareo ao La Reunion hanaovan’izy ireo lalana izay vidiany 136 Euro ny kilao ka ny orinasa iray eto Madagasikara no hanao izany. Vola kely no omena ny Malagasy, hoy izy. Tokony miala eto ny orinasam-bazaha rehefa tsy manara-dalana, hoy hatrany izy.

ILES EPARSES…

Misy antokon’olona milaza fa ny eto aza tsy vita koa inona no ilana ny “iles eperses” any fa aleo ho an’ny Frantsay, hoy izy. Ireny no bolokim-bazaha voa karama ka miteniteny foana sy mpandrebireby ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany izy. Any Malagasy ireo ka mila miverina aminy, tsy ireo nosy kely manodidina ireo ihany anefa no angatahana haverina fa ny orinasam-panjakana lasan’ny vahiny rehetra, hoy  izy.

Interview : Pr James RATSIMA

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-4.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-4.jpg »] PR JAMES RATSIMA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-3.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-3.jpg »] PR JAMES RATSIMA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-2.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-2.jpg »] PR JAMES RATSIMA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-1.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/11/JAMES-RATSIMA-1.jpg »] PR JAMES RATSIMA [/image_slider]
[/image_sliders]




120 thoughts on “PR JAMES RATSIMA : Bolokim-bazaha, miala.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!