MASTER IMMO 1

MASTER IMMO: Mivarotra tany azo aloa tsikelikely ny vidiny.

459

Tany eny Ambohimalaza no tolotra vaovao omen’ny Master Immobilier.  Ho hita mandritra ny hetsika ara-barotra Grande Braderie de Madagascar (GBM) ny 30 aogositra ka hatramin’ny 03  septambra 2017   izany. “15 minitra miala amin’ny lalana By pass, “quartier residentiel”, efa tonga ny jiro ny tolotra omena ny mpitsidika ny GBM”, hoy i Joane Marina ANDRIANARIVELO, tale ara-barotry ny MASTER IMMO.

Manomboka amin’ny 400 metatra tora-droa no azo vidiana. Nambaran’ny tomponandraikitry ny Master Immo hatrany fa azo aloa tsikelikely mandritra 15 volana  ny vidin’ny tany. Tsy misakana  ny olona hanefa izany indray mandeha anefa izany.

Mampiavaka ny Master Immo, mpanohana ofisialy  ny GBM,  ny faharetan’ny fikarakarana ny taratasin-tany. “Fito volana fara-fahatarany dia vita ara-dalana ny taratasy famindrana tany . Nomarihiny fa efa tafiditra ao anatin’ny vidin-tany ny vola hikarakarana ny bokin-tany ahazoana “titre” ary ny Master Immo ihany no mandray an-tanana ny fikarakarana rehetra.

Manentana ny rehetra ary maniry ny hanana tany ny Master Immo hitsidika ny trano heva 354 sy 355 mandritra ny GBM eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina  sy ny Fanatanjahantena Mahamasina  fa  fihenam-bidy  tsy ampoizina no miandry  azy ireo.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!