CEFERMADA 1

CEFERMAD : Manampy amin’ny fahazoana zaza.

553

Betsaka amin’ireo mpivady no tsy mety mahazo zaza mihitsy. Anisany mahatonga izany ny fahatsetseman’ny  “trompe” ny vehivavy ary ny tsy fahatanjahan’ny  tsirinaina kosa ho an’ny lehilahy. Noho ny fivoaran’ny teknolojia, tsy mitombona   ny hoe: tsy afaka ny hiteraka mihitsy   ireo mpivady manana olana amin’ny tsy fananan-jaza. Ankehitriny, fomba maro no afaka atao mba hampitoe-jaza ny vehivavy iray.

 Ho an’ny Centre de Fertilité de Madagascar (CEFERMAD), toeram-pitsaboana tokana manampy amin’ny fananan’anaka eto Madagasikara, ny fampiasana ny FIV/ICSI na ny fampitambarana ny tsirinaina ny lahy sy vavy, tsy misy firaisana ara-nofo no fomba voalohany ahazoana zanaka.

Nambaran’ny dokotera RAKOTOBE Andriamaro, tomponandraikitra ao amin’ny “Centre” fa azo atao tsara ny mahazo zaza kambana amin’ny alalan’io fomba io.

Raha te ahafantatra  bebe kokoa momba azy ity, mandray anjara amin’ny ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana,   eny amin’ny Lapan’ny Tanana  Analakely  ny CEFERMAD.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!