DR FIDY 1

CLINIQUE FIDY: Mora handairan’aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo ny lehilahy tsy mifora.

127

Fomba fanaon’ny Malagasy ny famoran-jaza. Dingana lehibe ho an’ny fahasalamana  ihany koa ny fanaovana izany. “Malaky handairan’aretina  avy amin’ny firaisana ara-nofo ny lehilahy tsy mifora”, hoy ny dokotera Fidy, ao amin’ny Clinique Fidy. Nambarany fa manangona loto  ilay tsitsy  raha tsy esorina. Manazava bebe koka momba izany ny tenany mandritra ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaim-poana, eny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely .

Ankoatra izany, manao didim-poitra faobe ihany koa ny Clinique ao anatin’ny hetsika izay amin’ny  sabotsy 08 jolay  2017 vao hifarana izany.

Ho an’ireo liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fitsaboana, fotoana ahafahana mahafantatra ny andinindininy  izany  ity  hetsika ity satria mandray anjara eny an-toerana ny  oniversite IMAGE APPLI.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!