DR FEZINY 6

EMISSION Dr FEZINY Séraphine: Ny gripa sy ny sery sy ny asan’ny spiruline amin’ny fiarovana izany.

273

Vanim-potoana tahaka izao no tena mampirongatra ny gripa sy ny sery, hoy Dr FEZINY Séraphine. Mikohaka, sempotra, ny sery, ny orona tsentsina, ny kohaka, marary tenda, loha, mora voan’ny « allérgie » sns izay tonga ho azy. Mahazo aina be ny otrik’aretina vokatry ny hamandoana sy ny petsapetsa, ny loto miparitaka eny rehetra eny. Tsy afaka miaro tena tsy hidiran’ny ireo otrik’aretina ireo isika, nefa afaka miaro tena ihany. Ny fahampian’ny tori-maso no mamono ny fidiran’ireo voalaza etsy ambony. Tsy tokony hiari-tory be fa amin’ny 8 alina dia mila matory, ny maraina kosa indray dia ny fanaovana fanatanjahan-tena, mila mihinana sakafo be vitamina toy ny lasary sy ny voatabia miaraka amin’ny tongolobe sy tongolo gasy. Ireo no afaka mahatohitra izany. Ny spiruline dia manan-karena ireo otrik’aina ao aminy izay manampy amin’ireo voalaza teo. Afaka mamono ny “virius” izy io, ka raha mihinana mialoha izany ilay olona dia voaaro ny tenany ary raha efa voan’ny gripa kosa vao mihinana, dia vetivety dia sitrana. Manatsara ny hery fiarovana izy ka manafaingana ny fahasalamana. Miaro ny fitaovam-pisefoana tsy hikainkona ihany koa izy. Tsy ampy irery hiarovana tena anefa ny spiruline fa mila miasa miaraka amin’ireo efa nambara teo aloha.

INTERVIEW: Dr FEZINY Séraphine

Mamitiana RASOLONIRINA

VIDEO:

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/03/DR-FEZINY-6.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/03/DR-FEZINY-6.jpg »] DR FEZINY [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/03/DR-FEZINY-5.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/03/DR-FEZINY-5.jpg »] DR FEZINY [/image_slider]
[/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!