DR FEZINY 1

EMISSION DR FEZINY Séraphine: Ny spiruline sy ny asany amin’ny fitsaboana ny aretina diabeta

477

Efa maro ny olona voan’ny diabeta no nitsabo tena tamin’ny fampiasana ny spiruline. Hatramin’izay dia tamin’ny fanafody tsotra no nampiasain’ny ankamaroan’izy ireny, saingy tsy nahitana vahaolana firy. Rehefa nampiasa spiruline anefa izy ireo, dia niova tanteraka ny toe-batany. Lazaina foana fa toe-batana fa tsy aretina, raha toe-batana dia entina mandra-maty, fa raha aretina izy dia azo sitranina. Nambaran’i Dr FEZINY Séraphine, fa tombontsoa lehibe ny fampiasana ny spiruline amin’ny fitsaboana ny aretina diabeta, izay azo sitranina tsara. Hampanaovina fanatanjahan-tena, mihinana sakafo feno, maro ny mieritreritra fa tsy maintsy mihinana fanafody mandra-maty. Raha mbola tsy nihitatra be ny fahavoazana ao anaty dia azo atao tsara ny mamerina izany amin’ny tokony ho izy. Miha-miverina amin’ny laoniny ny tsy fahitana, ny faritra mety ho tapahina amin’ny vatana sns. Toy izany ihany koa ny lehilahy, izay manana olana amin’ny filahiana tsy mety mihenjana dia miverina amin’ny fahatanjahany ihany koa. Izany rehetra izany anefa dia mandeha miandalana fa tsy eo no ho eo akory, hoy hatrany izy. Tsy tokony hiandry ela fa vao miandoha ny aretina dia manatona ny mpitsabo afaka ny hanongotra izany amin’ny fakany.

INTERVIEW: Dr FEZINY Séraphine

Mamitiana RASOLONIRINA

VIDEO :

 

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/DR-FEZINY-11.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/DR-FEZINY-11.jpg »] DR FEZINY [/image_slider][image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/DR-FEZINY-12.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/DR-FEZINY-12.jpg »] DR FEZINY [/image_slider]
[/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!