MINISTERE DE L'EAU 3

MINISTERAN’NY RANO: Fanamby ny fisitrahan’ny daholobe ny EAH.

153

24% ny mponina eto Madagasikara monja no misitraka rano fisotro madio ary 6,9% kosa ireo mampiasa lavi-piringa. Anisany iankinan’ny fahasalaman’ny mponina anefa ny fahazoana rano fisotro madio sy miaina ao anaty fahadiovana sy fidiovana. Ho fitandroana izany, sehatra iray imasoan’ny Ministeran’ny rano sy ny angovo ary ny solika ny fitantanana ny rano, fahadiovana sy fidiovana (EAH). 

Voafaritra ao anatin’ny fampandrosoana maharitra (ODD) rahateo fa amin’ny taona 2030, afaka  misitraka rano fisotro madio, foana ny fangerena ankalamanjana. Ho an’ny firenena Malagasy, mbola lavitry ny afo ny kitay.

Efa voafaritra ny teti-bola ilaina amin’ity taona 2017 ity sy ny 2018 ho an’ny tetikasa EAH. Ny 2, 4% no mbola eo am-pelatanan’ny Ministera. Manoloana izany, nihaona tamin’ireo mpiara-miombona antoka miasa amin’ny EAH ity farany hitadiavana fiaraha-miasa maharitra hanatrarana ny tanjona. Nambaran’ny Ministry ny rano sy ny angovo ary ny solika, Lantoniaina RASOLOELISON fa ny fifanohanana no miteraka vokatra.

Nandritra ny roa andro ity  atrika asa. Nifarana androany izany.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!