BNGRC 2

BNGRC : Olona roa no matin’ny hanohanana any atsimo, 77 kosa vokatry ny rivo-doza.

130

Tsy mitsaha-miakatra hatramin’izao ireo olona namoy ny ainy vokatry ny rivo-doza sy ny ranon’orana mijojo. Araka ny tarehi-marika teny anivon’ny BNGRC dia 79 no isan’ny maty hatramin’izao, ka ny 02 tamin’ireo dia vokatry ny hai-tany sy ny tsy fisian’ny sakafo na ny kére any Bekily, Ambovombe ary Tsihombe any atsimo, mionona amin’ny fihinana raketa sisa ny mponina. Efa nisy ny fijerena ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra hoy ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC Atoa, LUMOTSY LUDOVIC amin’ny fanampiana azy ireo. Mitombo hatrany ihany koa ireo tra-boina amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy. Maro ireo mihazakazaka manao voin-kava mahatratra manolo-tanana amin’ny fahavoazana mahazo ireny olona tra-boina ireny, na ho an’ireo mpiray tanindrazana izany na ho an’ny vahiny. Ho an’ity farany dia ry zareo avy eo anivon’ny ambasadin’i Frantsa no nitondra ny anjara borikiny teny amin’ny birao mahaleo tena misahana ny loza voa-janahary, tetsy Antanimora omaly. Taratasim-bola 100 Tapitrisa Ariary no natolotry ny solotenany teny an-toerana. Tsy ho atao mitongilana ny fitsinjarana ireny fanampiana rehetra ireny ary misy hatrany ny fanaraha-maso amin’ny toerana hanapariahana izany.

INTERVIEW: LOMOTSY LUDOVIC

Mamitiana RASOLONIRINA

VIDEO :

 

 

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-1.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-1.jpg »] BNGRC [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-2.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-2.jpg »] BNGRC [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-3.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-3.jpg »] BNGRC [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-4.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-4.jpg »] BNGRC [/image_slider]
[image_slider link= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-5.jpg » source= »http://canalnews.net/wp-content/uploads/2015/02/BNGRC-5.jpg »] BNGRC [/image_slider]
[/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!