CLUB RIVOTRA 1

CLUB RIVOTRA: Nanatanteraka fambolen-kazo.

124

Vao niandoha ny taona 2016, nihazakazaka namboly hazo avokoa na ny rantsa-mangaika eny anivon’ny Ministera na ny fikambanana isan-karazany. Tanjona iraisan’izy ireo ny fiarovana ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetra andro. Ny Alahady 12 Martsa teo no nandray anjara tamin’izany ny “Club Rivotra” izay ivondronan’ireo mpihaino sy mpanaraka ny fandaharana “Rivotra” ao amin’ny onjam-peo RDJ.

“Nitombo ny zanaka hazo novelena tamin’ity taona ity satria raha 400 fototra izany tamin’ny taona lasa dia 600 izy tamin’ity”, hoy Lucien RAMAKABAONA ,Filohan’ny “Club”. Tany amin’ny kaominina Talatanivolonondry Amorarano no nanatanterahan’izy ireo ny fambolen-kazo. Tany   mirefy 1ha eo ny velaran-tany niasana ka zanaka hazo haingam-paniry ireny no nambolena tamin’izany. “Hoezahina arahina maso ireo hazo nambolena ka hisy olona ampiandraketina izany”, hoy izy.

Marihina fa efa mahatratra any amin’ny enin-jato any izao ny mpikambana ao amin’ny “Club Rivotra” ary mitombo isan’andro izany, araka fanazavana hatrany.

Interview: Lucien RAMAKABAONA

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-1.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-1.jpg »] CLUB RIVOTRA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-2.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-2.jpg »] CLUB RIVOTRA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-3.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-3.jpg »] CLUB RIVOTRA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-4.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-4.jpg »] CLUB RIVOTRA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-5.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2016/03/CLUB-RIVOTRA-5.jpg »] CLUB RIVOTRA [/image_slider]
[/image_sliders]




9 thoughts on “CLUB RIVOTRA: Nanatanteraka fambolen-kazo.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!