DURELLE 3

DURRELL WILDLIFE CONSERVATION TRUST: Nohamafisina ny paika ady hiarovana ny sokatra Rere.

105

Voasokajy ao anatin’ny lisitry ny biby  tandindomin-doza an’ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny natiora (UICN)  ny sokatra an- dranomamy  « Rere » izay ny Nosy Malagasy ihany no manana azy.  Noho izany, anisan’ireo biby arovan’ny lalana  eto Madagasikara izy ity. Etsy ankilany anefa tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo biby azo ahondrana, an’ny CITES ny Rere ka afaka manondrana eo amin’ny  25 sokatra isan-taona  eo i Madagasikara.

 Ho fiarovana  ity sokatra ity tsy ho lany tamingana,  fandaharan’asa  maro no natao  ka niara-niasa  tamin’ ireo mponina manodidina ny faritra ahitana azy ity ny Durrell Wildlife Conservation Trust. Ao anatin’izany ny vala-java-boahary Ankarafantsika, ny farihy Ambondrobe, Begogo-Mahombe (Tsiribihina). Teo ihany koa ny fiompiana ny Rere mba hampitomboana ny taranany.

Ho fanamafisana ny fiarovana ny Erymnochelys madagascariencis, nampivory  ireo mpiantsehatra rehetra  afaka miandraikitra izany niaraka tamin’ny Ministera misahana ny tontolo iainana ny Durrell  Wildlife Conservation Trust.  Ny alarobia 24 May 2017, nanatanteraka atrik’asa izy ireo ho famolavolana paika ady nasionaly hiarovana ny sokatra  an-dranomamy Rere.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!