FANANTENANA 3

FAFI V : nanome fanomezana ho an’ ny ankizy tezaina ao amin’ ny LE BON SAMARITAIN Anjanahary sy ORPHELINAT SAINT PAUL Ambohipeno

147

Mitohy hatrany ny asa sosialy ataon’ ny sampana sosialy FANANTENANA ao amin’ ny fikambanana FAFI V izay tarihan’ ny filohany Hanitriniala RAHOLDINA. Nosafidian’ izy ireo ny LE BON SAMARITAIN Anjanahary sy ORPHELINAT SAINT PAUL Ambohipeno no nanateran’ ny fikambanana fanomezana , toy ny kitapo feno fampitaovam-pianarana ( cahier 50 pejy, 100 pejy ary 200 pejy, trosse misy stylo maro loko, crayon règle sy ny sisa ), labozia, vatomamy biscuit, savony manitra, sy savony fanasan-damba, dentifrice, pate, vary.

Marihana fa zaza kamboty sy sahirana miisa 89 eo ho eo ka ny 70 amin’ izy ireo dia zaza sahirana tezain’ ny akany LE BON SAMARITAIN ary zaza kamboty 19 no mipetraka tanteraka ao amin’ ny ORPHELINAT SAINT PAUL. Noho ny fangatahan’ izy ireo dia tsy nikely soroka ny sampana namaly ny antso ka ny kely ananana no ahiratra ary toa ny tantely tapa-bata ka ny fo manolotra no mameno azy.

Amin’ ny taona 2017 dia feno folo taona ny fikambanana FAFI V, hoy ny filoham-boninahitra RAHOLDINA Naivo. Noho izany dia hihamafy sy hitohy hatrany ny fanatanterahana ny asa sosialy sy ny fananganana fotodrafitr’ asa manerana ny boriboritany faha dimy satria  « ny hiaro sy hanasoa vahoaka » no tanjona ary izay no takian’ ny vahoaka malagasy, hoy izy.

Interview : Hanitriniala RAHOLDINA

Interview : RAHOLDINA Naivo

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 

 

 

SARY :

[image_sliders]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/06/FANANTENANA-1.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/06/FANANTENANA-1.jpg »] SAMPANA FANANTENANA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/06/FANANTENANA-2.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/06/FANANTENANA-2.jpg »] SAMPANA FANANTENANA [/image_slider]
[image_slider link= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/06/FANANTENANA-3.jpg » source= »http://www.canalnews.net/wp-content/uploads/2015/06/FANANTENANA-3.jpg »] SAMPANA FANANTENANA [/image_slider]
[/image_sliders]




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!