FIDMTAM 2

FI.DM.TAM: Nilatsaka an-tsitrapo nanome ra

89

Ho fanampiana ny mpiara-belona, nanolo-tena hanome ra maimaim-poana ny  fikambanan’ny Delege  mpivarotra sy ny ao amin’ny Tsena Alakamisy  Mahamasina na FI.DM.TAM. Hetsika fifanomezan-tanana ho an’ny trano fitehirizan-dra no nataon’izy ireo ny zoma 30 jona 2017. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana,  RAKOTOARISOA Hanitriniaina fa manome ra, manome aina fa mitondra ny anjara birikiny ny delege sy ny mpivarotra isaky ny tsena Alakamisy ao Mahamasina.

Vao vita fotsiny ny fotoana nanoavana ny hetsika, ramatoa iray mitady ra ho an-janany no voavonjy tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra nataon’ny FI.DM.TAM.

Ankoatra ny delege sy ny mpivarotra, nilatsaka an-tsitrapo tamin’izy ireo ihany koa ny fikambanana “Jeunes Volontaires”.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!