FISEMARE 1

FISEMARE: Iharan’ny fandroahana tsy misy fanazavana ireo delege sendikaly.

138

Delege sendikaly fito no efa niharan’ny fandroahana tsy misy fanazavana ho an’ny fikambanan’ny  sendikan’ny mpiasa (FISEMARE). Nambaran’ny Sekretera Jeneraly lefitry ny fikambanana, Jean Raphael MANANANDRO fa henjehin’ny mpampiasa fatratra ireo solontenan’ny mpiasa noho ny andraikitra sahanin’izy ireo dia hisian’ny filaminana  eny anivon’ny orinasa.  

Ho fiarovana hatrany ny zon’ny delege sendikaly , nijoro ara-dalana ny fikambanan’izy ireo. Mitaky ny hijerena akaiky ireo delege iharan’ny tsindry hazo lena  ny fikambanana ADPCE.

Ankoatra ny fiarovana ny zon’ny mpiasa, nanantanteraka fanomezan-dra maimaim-poana ny FISEMARE sy ny ADPCE ny 08 Septambra 2017.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!