ORANGE 1

MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Manan-kery manerana ny Nosy ny laharana vonjy taitra 117.

65

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny  orinasa Orange, afaka miantso  ny polisim-pirenena  maimaim-poana amin’ny ny laharana 117 ny olon-drehetra na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Raha teto an-drenivohitra fotsiny no azo nampiasana io laharana vonjy taitra io, manan-kery manerana an’i Madagasikara izany manomboka izao.  “Mivantana any amin’ny birao ny polisy mifanandrify amin’ny toerana iantsoana ny antson’ilay mila vonjy. Raha any Sambava no miantso izy, ny tomponandraikitra any an-toerana no handray azy”, araka ny fanazavan’ny Ministry ny filaminam-bahoaka, Mamy Jean-Jacques ANDRIANISA.

Telefonina 120 miaraka sy  karatra SIM 120 isa no nomen’ny Orange ho fanatanterahana izany. Ireo distrika voarakitry ny tambazotra Orange no hisitraka ireto fitaovam-pifandraisana ireto.

Entina hanampiana ny polisim-pirenena amin’ny fanatsarana ny asany dia fitandroana ny filaminam-bahoaka no anton’izao fanomezana izao. Eo ihany koa ny fampiharana ny politikam-panjakana amin’ny fiarahamiasan’ny sehatra tsy miankina.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!