ONG DIRECT AID 2

ONG DIRECT AID: Nanolotra fanampiana ireo traboina vokatry ny rivo-doza ENAWO.

67

Vary, menaka, siramamy, ronono amin’ny boaty, savony no natolotry ny fikambanana mpanao asa soa Direct Aid an’ireo traboina vokatry ny rivo-doza mahery ENAWO. Naterina teny amin’ny  foiben-toeran’ny BNGRC  izany ny zoma 31 martsa 2017. Efa hatramin’izay ny fikambanana izay tarihin’i Allaoui Benaissa no nanampy ny sahirana eto Madagasikara.

Tsy hijanona hatreo ihany ny fanampiana ataon’ny fikambanana fa mbola hitohy izany. Raha ny vinavina dia hidina any amin’ireo faritra tena nahitam-pahavoazana  noho ny rivo-doza farany teo ny ONG Direct Aid.

 Ankoatra ny fanomezana ho an’ireo manan olana ara-pivelomana, manana ivon-toerana ihany koa ny  ONG Direct Aid hitaizana ireo zaza kamboty sy ireo mpitondran-tena. Eo ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa toy lakan-drano sy ny maro hafa.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!