accident

VOASAZY HATRAMIN’NY ANKIZY NOHO NY ADALAN’NY TAXI BE SY NY MPITATITRA.

335

Taorian’ireny lozam-pifamoivoizana namoizana aina maro ireny, niezaka nandray ny andraikiny ny tomponandraikitra isan-karazany. Nankasitraka ny fanasaziana ny kaoperativa nahafaty olona ny ankamaroan’ny vahoaka. Maha zendana kosa anefa ny fanakanana ny ankizy madinika CP2 na T3 no midina tsy hanao  « voyage d’étude » intsony . Tsara ho fantatra fa mampivelatra ny sain’ny ankizy ireny fitsidihana faritra isan-karazany ireny. Nahoana no saziana ny ankizy mbola vao manomboka mivelatra amin’ny fiainana izay hitondra ity firenena ity atsy ho atsy. Fa angaha rehefa ankizy CP2 na T3 no miakatra no maty nohon’ny tsy fanarahan-dalan’ny mpamilin’ny fiaram-pitatitra ireny dia tsy olana ve ? Tokony ho fantatry ny rehetra fa na mandeha eny amin’ny arabe ianao na ao anatin’ny fiara mpitatitra rehefa tsy manara-dalana  ny fiara eny an-dalambe maty ihany ny tsy manan-tsiny. Tokony hijery vahaolana hafa ianareo tomponandraikim-panjakana rehetra hifehezana ireto mpitatitra ireo fa tsy ny ankizy mbola manana ny ho aviny lavitra no sakanana tsy hivoatra ara-tsaina. Tsy afa miala amin’ny loza isan-karazany io ny tomponandraikitra any amin’ny fitsarana fiarakodia ka hatreny amin’ny zandary sy polisy misava ireny fiara mandeha an-dalambe ireny noho ny fisian’ny kolikoly tsy voafehin’ny fanjakana. Noho izany rehetra izany, ho an’ny ray aman-dreny tsy manan-katao maro an’isa izany dia na ny Parc Tsimbazaza aza tsy ho fantatry ireo ankizy madinika ireo intsony.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA




15 thoughts on “VOASAZY HATRAMIN’NY ANKIZY NOHO NY ADALAN’NY TAXI BE SY NY MPITATITRA.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!