BAREA BEACH SOOCER

BAREA : nandresy indroa miantoana ny ekipa tompon-dakan’ i Frantsa

139

Fandresena faha 16 no azon’ ny BAREA eo amin’ ny baolina lalaovina ambony fasika nanomboka ny volana mai 2013 ka hatramin’ izao. Resin’ izy ireo tamin’ ny isa 7  no 4 i Marseille  tompon-dakan’ i Frantsa tamin’ ny Asabotsy 04 Jolay lasa teo. Baolina 3 no tafiditr’ i Toky, Angeluc sy dadah ary ny mpiandry tsato-kazo Malagasy nahatafiditra iray avy, namono tena kosa ry zareo ekipan’ i Marseille nahatonga ny isa ho antsika ho fito. Androany kosa dia mbola nitohy ihany ny fandresen’ ny ekipam-pirenena Malagasy raha niverina nihaona ny  roa tonta ka nisaraka tamin’ ny isa 6 no 3.

Hiaona amin’ i Portugal isika Rahampitso 6 jolay 2015 ary manantena fandresena hatrany.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

 




39 thoughts on “BAREA : nandresy indroa miantoana ny ekipa tompon-dakan’ i Frantsa

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!