FBBM 1

FMBB : Hampiantrano ny lalao CACC ny firenena Malagasy

309

Ho tanterahina eto Madagasikara ny lalao iadiana ny CACC  na ny « Coupe d’Afrique des Clubs Champions ». Ho an’ny  ekipa Malagasy, klioba telo  na eo amin’ny  sokajy lehilahy na vehivavy no handray anjara amin’ity andiany faha-32 ity. Araka ny fanampim-panazavana nomen’ny Filohan’ny Federasionan’ny Basket Ball, Jean Michel RAMARSON fa ao   anatin’izany  ny GNBC, COSPN, ASCUT ho an’ny klioba lehilahy ary FANDREFIALA, MB2ALL, TAMIFA kosa ho an’ny vehivavy.

Ny zoma 22 septambra 2017 no hanomboka ny fifanintsanana ary ny alahady 01 oktobra 2017 ny lalao famaranana.

Ankoatra Djibouti, ho avy hampiseho ny fahaiza-milalao  ireo klioba avy atsy amin’ny Nosy rahavavy toy i Mayotte, Comores,  Seychelles.

Nirina  RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :




Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

error: Content is protected !!